Babel

The Tower of Babel (Genesis 11: 1-9)

Fiteny Malagasy (Malagasy)

  1. Ary mbola nampiasa fiteny iray ihany ny tany manontolo, sady nitovy ny teny nampiasainy.
  2. Ary rehefa niantsinanana ny olona, dia nahita lemaka iray tao amin’ny tany Sinara, ka nanorim-ponenana tao.
  3. Dia nifampiresaka izy ireo hoe: “Andao isika hanao biriky ka handoro izany ao anaty lafaoro.” Koa biriky no nataony solom-bato, ary godorao no nataony solon-drihitra.
  4. Ary hoy izy ireo: “Andao isika hanorina tanàna sy hanangana tilikambo izay mahatakatra ny lanitra ny tampony. Ary andao hataontsika izay hampahalaza ny anarantsika, sao hiparitaka manerana ny tany isika.”
  5. Ary nidina i Jehovah mba hijery ilay tanàna sy ilay tilikambo naorin’ny zanak’olombelona.
  6. Dia hoy i Jehovah: “Vahoaka iray ihany izy ireo ary fiteny iray ihany no ampiasain’izy rehetra. Ary vao fiandohan’ny ataony izao. Koa tsy misy tsy ho vitany izay mety hokasainy hatao.
  7. Andeha isika hidina eny, ka hataontsika misafotofoto ny fiteniny mba tsy hifankahazo fiteny izy ireo.”
  8. Koa naparitak’i Jehovah avy tao izy ireo ka niely nanerana ny tany. Dia natsahatr’izy ireo ny fanorenana ilay tanàna.
  9. Izany no antony nanaovana ny anaran’ilay tanàna hoe Babela, satria tao no nataon’i Jehovah nisafotofoto ny fitenin’ny tany manontolo. Ary naparitak’i Jehovah avy tao izy ireo ka niely nanerana ny tany.

From: Ny Soratra Masina – Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao

Information about the Malagasy language

Tower of Babel in Austronesian languages

Cebuano, Dawan, Hawaiian, Ilocano, Indonesian, Kadazandusun, Malagasy, Malay, Māori, Sakao, Samoan, Tagalog, Tuvaluan

Tower of Babel in other languages

Learn Chinese Characters with the Omniglot Chinese app